FITSINJARAM-PAHEFANA –

Raiketina ho 40.000 ariary isam-bolana ny tambin-karama ho an'ireo sefo fokontany.

MORON-TSIRAKA-

Miisa 12 hatreto ireo zana trozona rendrika teto amintsika hatrin’ny fiandohan’ny taona 2022. Tsy mbola fantatra mazava ny anton’izany. Misokatra ny fanadihadiana.

FITONDRANA-

Niamboho teo amin'ny faha-96 taonany ny Mpanjakavavy Elisabeth II. Nitondra nandritra ny 70 taona izy.

FIZAHAN-TANY-

Manana trano fatoriana miisa 300 amin’ny sokajiny manaraka ny fenitra ireo "Hôteliers" ao Mahajanga sy ny manodidina. Afaka manao tolotra amin’ny vidiny tena mirary, latsaky ny 25 hatramin’ny 30% izy ireo.

VONDRONA EOROPEANA –

Mitentina 325 tapitra euros ny fanohanany amin'ny fampandrosoana an'i Madagasikara ao anatin’ny 4 taona manaraka. Anisan'ny sehatra laharam-pahamehana ny fampivoarana ny tontolo ambanivohitra, ny fitantanana, ary ny angovo.