Miisa 11 ireo marary vaovao teo anelanelan'ny 20 sy 26 Aogositra. Olona 36 kosa sitrana
Brève
lire plus
MOZIKA
Hanao fampisehoana maimaim-poana ao Antsahamanitra ny mpanakanto « évangélique » Christ Afari avy any Etazonia, ny 1 sy 2 Oktôbra izao. Anisan’ny handray anjara ao koa ny TGC sy Steph Rambi.
HAITRANO
Kilan’ny afo ny ampahany amin’ny fotodrafitrasan’ny orinasa Pêchexport ao Mahajanga. Ny alin’ny zoma 19 Aogositra no nitrangan’ny loza ary nifarimbona namono afo ny mpamonjy voina sy ny olona teny an-toerana. Mbola tsy fantatra mazava ny antony nahatonga ny afo,...
BACCALAUREAT
Ambany ny taham-pahafahana teto Antananarivo oharina tamin’ny taon-dasa. Manodidina ny 41 % izany tamin’ity raha toa ka 58,48% tamin’ny 2021. Naoty 10 amin’ny 20 farafahakeliny no sivana ho an’ireo afa-panadinana ireo.