Brève

Opération CIN

Mikorontana ny rafitra mandrindra ny « opération CIN ». Ny tsy fahampian’ny fitaovana sy ny halaviran’ny toerana ary ny tahotra amin’ny tsy fahandriam-pahalemana no antony mahatonga izany raha ny nambaran’ny solon-tenan’ny firaisamonim-pirenena.

lire plus

MORON-TSIRAKA-

Miisa 12 hatreto ireo zana trozona rendrika teto amintsika hatrin’ny fiandohan’ny taona 2022. Tsy mbola fantatra mazava ny anton’izany. Misokatra ny fanadihadiana.

lire plus

COVID-19-

COVID-19- Miisa 12 ireo marary vaovao teo anelanelan’ny 03 hatramin’ny 09 Septambra. Mitotaly 26 ireo manaraka fitsaboana hatreto.

lire plus

FIZAHAN-TANY-

Manana trano fatoriana miisa 300 amin’ny sokajiny manaraka ny fenitra ireo "Hôteliers" ao Mahajanga sy ny manodidina. Afaka manao tolotra amin’ny vidiny tena mirary, latsaky ny 25 hatramin’ny 30% izy ireo.

lire plus

VONDRONA EOROPEANA –

Mitentina 325 tapitra euros ny fanohanany amin'ny fampandrosoana an'i Madagasikara ao anatin’ny 4 taona manaraka. Anisan'ny sehatra laharam-pahamehana ny fampivoarana ny tontolo ambanivohitra, ny fitantanana, ary ny angovo.

lire plus

ASA-

Tokony efa nihatra ny karama farany ambany 250.000 ariary. Hivoaka tsy ho ela ny didim-panjakana mamaritra ny andininy, hoy ny ministry ny Asa.

lire plus