Kilan’ny afo ny ampahany amin’ny fotodrafitrasan’ny orinasa Pêchexport ao Mahajanga. Ny alin’ny zoma 19 Aogositra no nitrangan’ny loza ary nifarimbona namono afo ny mpamonjy voina sy ny olona teny an-toerana. Mbola tsy fantatra mazava ny antony nahatonga ny afo, hoy ny governoran’ny faritra Boeny