Niamboho teo amin'ny faha-96 taonany ny Mpanjakavavy Elisabeth II. Nitondra nandritra ny 70 taona izy.
FIZAHAN-TANY-
Manana trano fatoriana miisa 300 amin’ny sokajiny manaraka ny fenitra ireo "Hôteliers" ao Mahajanga sy ny manodidina. Afaka manao tolotra amin’ny vidiny tena mirary, latsaky ny 25 hatramin’ny 30% izy ireo.
VONDRONA EOROPEANA –
Mitentina 325 tapitra euros ny fanohanany amin'ny fampandrosoana an'i Madagasikara ao anatin’ny 4 taona manaraka. Anisan'ny sehatra laharam-pahamehana ny fampivoarana ny tontolo ambanivohitra, ny fitantanana, ary ny angovo.
FAMPIANARANA AMBONY-
Manao fihetsiketsehana ny mpianatra ao amin'ny Oniversite Mahajanga. Mitaky ny fandoavana ny vatsim-pianarana nandritra ny telo volana izy ireo.
ASA-
Tokony efa nihatra ny karama farany ambany 250.000 ariary. Hivoaka tsy ho ela ny didim-panjakana mamaritra ny andininy, hoy ny ministry ny Asa.