par STENIDLAS XAVINO RANDRIANANTENAINA | Sep 13, 2022 | Brève |
Raiketina ho 40.000 ariary isam-bolana ny tambin-karama ho an’ireo sefo fokontany.
par STENIDLAS XAVINO RANDRIANANTENAINA | Sep 13, 2022 | Brève |
Miisa 12 hatreto ireo zana trozona rendrika teto amintsika hatrin’ny fiandohan’ny taona 2022. Tsy mbola fantatra mazava ny anton’izany. Misokatra ny fanadihadiana.
par STENIDLAS XAVINO RANDRIANANTENAINA | Sep 12, 2022 | Brève |
Lavon’ny Royals Leopard FC tamin’ny isa 3 no ho 2 ny CFFA Andoharanofotsy. Mbola tsy vita ny lalana fa hiatrika ny lalao miverina any Eswatini ny ekipam-pirenena malagasy.
par STENIDLAS XAVINO RANDRIANANTENAINA | Sep 12, 2022 | Brève |
COVID-19- Miisa 12 ireo marary vaovao teo anelanelan’ny 03 hatramin’ny 09 Septambra. Mitotaly 26 ireo manaraka fitsaboana hatreto.
par STENIDLAS XAVINO RANDRIANANTENAINA | Sep 8, 2022 | Brève |
Niamboho teo amin’ny faha-96 taonany ny Mpanjakavavy Elisabeth II. Nitondra nandritra ny 70 taona izy.
par STENIDLAS XAVINO RANDRIANANTENAINA | Sep 8, 2022 | Brève |
Manana trano fatoriana miisa 300 amin’ny sokajiny manaraka ny fenitra ireo « Hôteliers » ao Mahajanga sy ny manodidina. Afaka manao tolotra amin’ny vidiny tena mirary, latsaky ny 25 hatramin’ny 30% izy ireo.
par STENIDLAS XAVINO RANDRIANANTENAINA | Sep 7, 2022 | Brève |
Mitentina 325 tapitra euros ny fanohanany amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara ao anatin’ny 4 taona manaraka. Anisan’ny sehatra laharam-pahamehana ny fampivoarana ny tontolo ambanivohitra, ny fitantanana, ary ny angovo.
par STENIDLAS XAVINO RANDRIANANTENAINA | Sep 7, 2022 | Brève |
Manao fihetsiketsehana ny mpianatra ao amin’ny Oniversite Mahajanga. Mitaky ny fandoavana ny vatsim-pianarana nandritra ny telo volana izy ireo.
par STENIDLAS XAVINO RANDRIANANTENAINA | Sep 7, 2022 | Brève |
Tokony efa nihatra ny karama farany ambany 250.000 ariary. Hivoaka tsy ho ela ny didim-panjakana mamaritra ny andininy, hoy ny ministry ny Asa.
par STENIDLAS XAVINO RANDRIANANTENAINA | Sep 7, 2022 | Brève |
Feno 70 taona ny Fikambanan’ny Poety sy ny Mpanoratra Malagasy ( Havatsa-UPEM). Hanao dia rodoben’ny vakiboky an-dalambe eny Analakely izy ireo.