FIZAHANTANY

– Nodimandry i Jimmy Rakotoarisoa. Tale mpanatanteraka teo anivon’ny federasion’ny mpisehatra amin’ny toerana fandraisam-bahiny sy fikarakarana sakafo eto Madagasikara (FHORM) izy.

MOZIKA

Hanao fampisehoana maimaim-poana ao Antsahamanitra ny mpanakanto « évangélique » Christ Afari avy any Etazonia, ny 1 sy 2 Oktôbra izao. Anisan’ny handray anjara ao koa ny TGC sy Steph Rambi.

HAITRANO

Kilan’ny afo ny ampahany amin’ny fotodrafitrasan’ny orinasa Pêchexport ao Mahajanga. Ny alin’ny zoma 19 Aogositra no nitrangan’ny loza ary nifarimbona namono afo ny mpamonjy voina sy ny olona teny an-toerana. Mbola tsy fantatra mazava ny antony nahatonga ny afo,...